GYMNE BEPC AO AVARADRANO

Tsy misahirana mankeny Andralanitra intsony ny mpiadina


  • Talata 13 Mey 2025

Lasa ambohim-pihaonan’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC ny ao Isahafa kaominina Anosy Avaratra

nanomboka omaly Alatsinainy 12 May. Vita soa aman-tsara ary notokanana tamin’ny Sabotsy 10 May teo mantsy ny fotodrafitrasa mifandraika amin’izany ahitana kianja filalaovana basketball sy volley-ball. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tany amin’ny kianjan’Andralanitra hatrany ireo mpiadina BEPC manerana ny ZAP 11 ao Avaradrano no manenjina ny adina ara-panatanjahantena BEPC isan-taona rehefa vanim-potoana tahaka izao. Sady lany saran-dalana izy ireo no lany fotoana ihany koa miampy ny havizanana sy ny tebitebin’ny Ray aman-dReny. Ankehitriny voavaha tanteraka izany olana izany vokatry ny ezaky ny Ben’ny tanana ao an-toerana tamin’ny alalan’ny 3P izay vao nandray ny asany tao anatin’ny 3 volana. Mpiadina miisa 4.334 avy amin’ ny sekoly miankina sy tsy miankina amin ny fanjakana ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianaran’ Antananarivo Avaradrano moa no hisitraka izany toy ny ao Ambohimanga , Talata Volonondry , Ambohidrabiby , Sabotsy Namehana , Ankadikely. Tompon’andraikitra maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana notarihin’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona.
Pati Legende : Ity ilay kianja vaovao vao notokanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT