Fampianarana

Gym Bepc sy Bacc Nodinihina ny paikady hiatrehana azy


  • Alarobia 20 Mey 2020

Niara-nikaroka vahaolana hahafahana manatanteraka ny adina ara-panatanjahantena (EPS) ho an’ny fanadinana BEPC sy Bakalorea, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny MENETP Anosy,

 

 

omaly talata 19 may, ireo mpampianatra EPS matihanina amin’ny ambaratonga faharoa niaraka tamin’ireo « proviseurs» sy talen’ny CEG avy eto Antananarivo sy ny manodidina ary teknisiana ambony avy amin’ny oniversite. Fiomanana ny amin’izay fanapahan-kevitra tokony horaisina amin’ireo fanadinam-panjakana ireo no nifampidinihana tamin’izany, toy ny fisafidianana ny taranja tokony sy tsy azo atao ; ny lamina apetraka rehetra mialoha sy mandritra ny fanadinana ; ny fanomanana ireo mpiadina sns. Hatolotra ny MESUPRES sy ny MENETP ny soso-kevitra nivoitra hotapahina. Marihina fa mbola tsy voafaritra ny daty hanaovana izany, fa miankina amin’izay ho toe-java-misy manoloana ny aretina covid-19 sy ny vanim-potoana hanatanterahana azy. Ny DES (Direction de l’enseignement secondaire) no namory ireo tompon’andrakitra ireo izay natrehin’ny Sekretera Jeneraly, ny Talen’ny Kabinetra ary ny Tale Jeneralin’ny Fanabeazana Ambaratonga faharoa sy ny Fanofanana ny daholobe (DGESFM) eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena sy ny Fampianarana ara-Teknika sy arak’Asa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT