Fampianarana

« Gym Bacc » Tovolahy 20 taona namoy ny ainy


  • Zoma 16 Jolay 2021

Tovolahy vao 20 taona monja antsoina hoe Razafimamonjy Kanto, mpianatra kilasy famaranana ao amin'ny Lycée Razafindraibe Victorien (LVR)

 ao Moramanga no namoy ny ainy nandritra ny fifaninana aram-panatanjahantena (gym bacc) ny alarobia 14 jolay lasa teo. Raha ny fitantaran'ireo nanatri-maso dia tsy nanana olana i Kanto, ary tsy nahitana fihetsika hafahafa teny aminy tany am-piandohana raha hamonjy ny hazakazaka izy, hoy ny tatitra. Nitambotsitra tampoka anefa izy rehefa akaiky ho tonga teny amin'ny farany ka taitra ny manodidina. Nentina namonjy Hopitaly avy hatrany izy ka navantana tao amin'ny trano fameloman'aina tamin'ny 3 ora sy sasany folakandro ary mbola niresaka tsara. Tsy tana intsony anefa ny ain'ity farany tamin'ny 05 ora sy sasany hariva na dia efa nanao izay azony natao aza ny mpitsabo. Tonga nitsapa alahelo sy nampahery ny ray aman-dRenin'i Kanto ny ny fari-piadidim-pampianarana tao Moramanga niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy ny raha vao nahare izany voina izany. Mpanakanto vao misondrotra ao Moramanga i Kanto izao nodimandry izao, sady zanaka tokan'ny ray aman-dreniny, raha ny fanamarihana. Mankahery ny fianakaviany ary mirary fiononana feno ho azy ireo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT