Fampianarana

Grevy eny ankatso Ho samborina indray i Berija ?


  • Zoma 27 Desambra 2019

Ny 17 desambra teo no efa nahazo fampiantsoana ho avy teny amin’ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena teny Betongolo i Berija Ravelomanantsoa.

 

 

Tsy voasoratra mazava tao anatin’io fampiantsoana io kosa ny antony. Fantatra tamin’ny raharaha fitarihana hetsiky ny mpianatra teny Ankatso taloha I Berija. Taorian’ny hetsiky teny Ankatso momba ny trano fonenan’ny mpianatra sy ny resaka LMD, izay nisiana hetsika ihany koa tany Fianarantsoa no nivoahan’ity fampiantsoana ity, izay heverina fa misy hifandraisany tamin’ireo izany ny fampanantsoana. Toa tsy niasa saina firy tamin’io fampiantsoana azy io ny tenany, izay mandray izany ho ramatahora, raha ny fahitana azy. Mety hiafara amin’ny fisamborana ny tsy famaliana ny fampanantsoana ataon’ny zandarimariam-pirenena ka asa na ho tonga amin’izay na tsia. Efa tratry nisy fotoana izy nenjehina sy nosamborina tamin’ny raharaha tahaka izao. Ankoatra ny maha mpitarika grevy azy teny Ankatso, dia nisy fotoana naneho hevitra matetika momba ny politika i Berija Ravelomanantsoa, ary tsy nitsitsy fitenenana. Nisy fotoana, ohatra, dia efa nitory an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay minisitry ny serasera ankehitriny. Efa tompon’andraikitry ny sampan-draharahan’ny jono tany Nosy-Be Hell Ville tamin’ny andron’ny HVM. Niaraka sy namana akaikin’Atoa Mbola Rajaonah mpanolontsain’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ihany koa i Berija. Mazava fa raha ny ara-politika izany, dia mpifandrina amin’ny fanjakana Rajoelina ny tenany. Lojika misy ny fifandoloana sy ny don-tandroka eo amin’ny andaniny sy ny ankilany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT