Tsy mbola milamina ny raharaham-pitakian’ny mpianatry ny ENS (École Normale Supérieure) hatramin’ny omaly.
Tonga teo anivon'ny ENS ireo solontena avy amin'ny ministeran'y fampianarana, Oniversité an'Antananarivo, Ministeran'ny fampianarana ambony niara-nidinika tamin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny sekoly (Tale) sy ireo biraon'ny fikambanan'ny mpianatra mba hikaroham-bahaolana. Tapaka tao anatin’io ny hananganana Kaomisionina iraisana amin’ny famolavolana ny “recrutement” na ny fandraisana ho mpiasam-panjakana hoenti-mana iarahan’iretsy voakasika miaraka amin’ny Minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy amin’ny famolavolana ny didim-panjakana sy ho fampiharana ny fifanarahana na ny “Protocole d’accord” efa voasonia ny taona 2018. Nanda ankitsirano izany ny mpianatry ny ENS, izay efa niandry teo ivelany ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana. Nitohy omaly ny fihetsiketsehana tetsy Ampefiloha, izay tao anatin’ny faritry ny sekoly. Mijanona avokoa ny fampianarana na ny “activité pédagogique” eo anivon'ny ENS manerana ny Nosy raha tsy mivaly ny fitakiana. 243 ireo dosie efa neken’ny Minisiteran’ny vola, ary 82 ireo efa andalam-pandinihana ny handraisana azy ho mpiasam-panjakana, saingy nolavin’ireo mpianatra izany, fa mil any rehetra no raisina, hoy izy ireo. Hihamafy ny hetsika raha tsy misy ny valiny mahafa-po hatramin’ny anio amin’ny 10 ora, hoy ny fanambarana niainga tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly.
16 VOASAMBOTRA TANY ANTSIRANANA
Nanomboka ihany koa ny an’ny ENST Antsiranana omaly, izay nanao diabe nilanja sora-baventy nihazo ny CAPR DREN DIANA, ary nandoro kodiarana,... Raikitra ny sakoroka, ka naratra ny Filohan’ny fikambanan’ny mpianatra, ary fiara iray no simba tanteraka. 16 ireo mpianatra voasambotra satria voatery nanao tifi-danitra ary nisambotra ny Emmo. Nahoana ny mpianatra “douanier” avy dia miasa vao vita fianarana, ny “administrateur civil” avy dia mandray ny asa, ny ACMIL,… fa ny mpiofana ho mpampianatra atao ambanin-javatra? hoy ireo mpianatra. Izahay 5 taona mianatra tsy raisina, kanefa ny CRINFP roa taona mianatra tonga dia voaray, hoy izy ireo. Mpianatra nanomboka ny 2015 no niara-nanao ny fitokonana. Nisy ny fifampiresahana tamin’ny mpitandro filaminana, ka nanaiky ny hamotsorana azy ireo ny andaniny. Re ihany koa fa efa miomana ny hihetsika ny mpianatra any Fianarantsoa sy Toliara.Miha henjana ny hetsi-pitakiana arak’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.