Fampianarana

Grevin’ny mpampianatra Raikitra ny fampiadiana


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Mbola nanamafy ny fitokonana teo an-tokotanin’ny minisiteran’ny fampianarana ireo mpampianatra mpanabe omaly.

 

 Hentitra izy ireo nilaza fa hohamafisina izany amin'ny herinandro ambony raha mbola minia mikimpy tsy mamaha olana ny fitondrana. Mazava izao fa vao mainka mihenjan-droa ny tady ary karazan’ny mikatso tanteraka ny resaka fifampidinihana sy fifampiresahana hamahana ny olana raha dinihina ny zava-misy. Ny tsikaritra fotsiny, dia manomboka miteny sy mijoro ireo andiana mpampianatra hafa, izay tsy hay aloha na hampirisihin’ny fanjakana, ka mijoro hanohitra ny fanemorana ny fanadinam-panjakana, izay ny minisitry ny fanabeazana Horace Gatien aloha no tena nivoy an’io. Ampiasaina ihany koa ireo mpampianatra tsy miankina hiantsoroka ny asa tokony hosahanin’ireo mbola mitokona, izay toa midika valin-kafatra sy planina hafa avy amin’ny mpitondra. Any Antsirabe, ohatra, dia milaza koa ny vondrona ANNEFA fa hanomboka hampianatra ary handray ireo mpianatra hiatrika fanadinana amin’io herinadro miditra io. Tsy manery ireo mpampianatra mbola te hanohy ny fitokonana izy ireo, saingy manohitra ny fanerena ny mpampianatra tsy maintsy hitokona sy ny fandrahonana. Tetsy an-daniny dia mbola nafana ary niha nafana kosa ny tolona nataon’ireo vondron’ny sendika mbola manohy ny tolona teo amin’ny kianjan’ny DREN Vakinankaratra. Nambaran’ireo mpampianatra marobe fa tsy hiato ny tolona hataon’izy ireo raha tsy voavaly ny fitakiana ary tsy eken’izy ireo ny ataon’ireo mpamono afo dia ny ANNEFA. Karazan’ny ampiadiana aloha ny samy mpampianatra mba hahafaty momoka ny tolona. Ahiana vao mainka hiteraka gidragidra io.


 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT