Fampianarana

Grevin'ny ENS Ampefiloha Nifanjevo ny mpianatra sy ny Emmo-reg


  • Alakamisy 07 Janoary 2021

Vao miandoha ny taona dia manomboka ny grevy sy ny fifandonana. Nidina an-dalambe

 

 

indray ny mpianatry ny ENS (École Normale Supérieure) omaly alarobia 6 janoary. Mitaky amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena amin'ny hampandehanana araka ny tokony ho izy sy ara-potoana ny "recrutement" na fandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana. Mitaraina ho tsisy mpiahy sy tsy misy mpiraharaha ireo mpianatra. " Prezida Rajoelina o! Jereo izahay fa tsy misy mpiahy", "Presida Rajoelina o! "omeo poste izahay", "Omeo hasina ny fampianarana dia handroso i Gasikara"... no isan'ny sora-baventy nirantiranty teny Ampefiloha omaly. Milaza ho leo fampanantenana lava ireo mpianatra, ary misy amin'ireo zoky teo aloha aza no voalaza fa efa nivoaka tamin'ny 1996 no nivoaka tao amin'ny ENS mbola tsy voaray, misy ny efa tamin'ny 2010,... Tsy misy ny fitohizan'ny fitantanan-draharaham-panjakana ka miverina foana ny olana kanefa efa ny 2018 no nisy fifanarahana na « protocole d’accord » nampanantenana famoahana didim-panjakana, hoy ny fitarainana. Nibahan-dalana sy nandoro kodiarana ireo mpianatry ny ENS, ka tapaka ny fifamoivoizana teo amin'ny Rond point Andavamba. Tonga nandrava sy nanaparitaka izany ny mpitandro ny filaminana tetsy an-daniny, ka raikitra ny sakoroka, niraradraraka lakrimozenina sy tora-bato ho an'ny ankilany. Raikitra ihany koa ny fisamborana, ka 2 no tratra voalohany, ary tafiakatra 8 izany, izay efa votsotra avokoa. Nisy ihany koa ny naratra iray, izay voa mafy teo amin'ny lohany. Tsy hijanona ny tolona raha tsy mahazo valiny mahafa-po avy amin'ny Minisitera mpiahy izahay, ary miara-dàlana amin’izy ireo ny mpianatra any amin’ny Oniversite any amin’ny Faritany, hoy ireo mpianatra.

 

 MANDRAHONA NY ENY ANKATSO...

 Mamofompofona fitakiana ihany koap ny eny Ankatso na ao anatin'ny fanenjehana ny fandaharam-pianarana. Mandeha ny ritsoka fa tsy ekena ny vatsim-pianarana 4 volana na 7 volana. Efa tetibola tokony hazava ny vatsim-pianarana, fa tsy boriboriana araka izay hitiavan'ny mpitantana azy, hoy ny feo miainga avy amin'ny mpianatra.

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT