Fampianarana

Global Startup Weekend Antananarivo Nanome sehatra ny tontolo informatika


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Nampahafantarina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny valin’ny fifaninanana momba ny hetsika andiany voalohany momba ny fandraharahana “Global Startup Weekend AI” eto Antananarivo.

 

 

Tsiahivina fa notanterahina tamin’ny Zoma 31 novambra hatramin’ny alahady 2 desambra lasa teo tetsy amin’ny eTech Ivandry ity fifaninanana nitodika tamin’ny teknolojia sy ny faharanitan-tsaina artifisialy ity (intelligence artificielle). Nosafidian’ireo mpitsara, izay mpandraharaha matihanina, tamin’ireo olona 36 nandray anjara, izay nizara ho ekipa 7, ny tetikasa 3 dia ny T-Isera, ny Voiceep ary ny Upone. Fifaninanana famolavolana tetikasa hananganana orinasa izay nomanina mandritra ny 54 ora ny startup ary ahafahan’ny mpandresy dia ny T-isera, izay misy mpikambana tanora 5 mirahalahy, hisolotena an’i Madagasikara any Al Summit Paris amin’ny taona 2019. Zava-dehibe hatrany ny hetsika sahala amin’itony satria mampiroborobo ny sehatra tsy miankina, indrindra manome lanja ny teknolojia avo lenta sy vaovao izay tsy azo ialan’i Madagasikara intsony amin’izao andron’ny fanatontoloana izao. Hisy indray ny famoronan’asa ho teraka taorian’izao hetsika famolavolana tetikasa hananganana orinasa izao ary tombony amin’ny fandraharahana ataon’ny tanora izany.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT