Fampianarana

Gidragidran’ny oniversiten’i Toamasina Mpianatra 5 indray voaroaka


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Niakatra filankevi-pifehezana na CODIS teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina ny mpianatra 5 lahy omaly.

Ny 4 voarohirohy tamin’ireo sakoroka roa nitranga tao Barikadimy, ny iray voarohirohy ho nangalatra solosaina. Nizara roa miavaka tsara ny heloka nihainoana azy ireo. Ny voalohany mikasika ilay sakoroka niteraka fahamaizan’ny fiaran’ny oniversite sy ny fanagiazana ny mpiambina. Ny faharoa dia ny momba ny fahatapahan’ny herinaratra nateraky ny rivodoza izay niteraka fanimbana sy fandrobana fananan’olona ivelan’ny “Campus”. Nifandimby nohenoin’ny filankevitra tsirairay avokoa izy ireo niaraka tamin’ireo mpisolovava azy miisa telo. Adiny roa no nandinika ny sazy nomena azy ireo filankevitra. Nilatsaka ny fanapahana omaly tamin’ny 3 ora tolakandro, fa ny 5 amin’izy dimy lahy no voaroaka avy hatrany ary tsy mahazo miditra intsony tokotanin’ny oniversiten’i Toamasina sy ireo oniversitem-panjakana misy eto amintsika. Ny iray kosa mbola afaka mianatra ihany fa tsy mahazo mipetraka eo anivon’ny “Campus” intsony. Tsy afa-po tamin’ny fanapahana nivoaka izy ireo ka milaza ny hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana indray. Tao anatin’izay koa dia manao antso avy amin’ny fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ary ny governemanta mba hijerena azy ireo, fa tena lasa loza ny hoavin’izy ireo. Raha ny fanazavana mantsy dia taona faha-4 avokoa izy efa-dahy voaroaka ireto avy amin’ny sampana lalàna, filozofia, tantara ary toekarena.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT