Fampianarana

Gédéon Rajaonson “Mila harenina haingana ny lesoky ny fampianarana”


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Tsy mahatratra 3% akory ny Malagasy mianatra eny amin’ny ambaratonga ambony raha toa ka mihoatra ny 70%-n’ny japoney no mandranto fianarana eny amin’ny Anjerimanontolo, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena.

 

 

 

Tandindomin-doza ny sehatra fampianarana eto Madagasikara ary mila mandray andraikitra haingana ny tsirairay ho fanavotana sy fampandrosoana io sehatra io, hoy ny mpahay sady mpampianatra toekarena, Gédéon Rajaonson. Mianga amin’ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ireo tanora mpianatra, ny fiarahamonim-pirenena ary hatrany amin’ny fitondram-panjakana mihitsy no miara-mientana hampiroboroboana ny sehatra fampianarana. Tokony hisy, hoy izy ny fanadihadiana hatao manokana hijerena ireo lesoka hatramin’izay ka mahatonga io sehatra fanabeazana io tsy lasa sady tsy mahalasa lavitra ary harenina haingana izany. Nanamafy hatrany ity mpandalina ara-toekarena ity fa mifamatotra tanteraka ny sehatra fampianarana sy ny fampandrosoana ara-toekarena. Raha te hiroso isika, hoy izy dia tsy maintsy hatao ho laharam-pahamehana maika ny fampianarana ary atao izay hahatongavan’ny maro an’isa hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Tanjona ny hananana manampahaizana maro sy ny mba haha matihanina ny fahaiza-manaon’ny olona tsirairay amin’ny asa izay ataony hampiroboroboana ny fampananana asa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT