FONJAN’AMBALATAVOAHANGY

Ankizy voafonja 6 niatrika ny CEPE


  • Alarobia 19 Jona 2024

Manan-jo hianatra sy hanohy ny fianarany hatrany ny ankizy na dia voafonja aza.

Raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray mantsy dia tsy fanasaziana velively no hitazonana azy ireny any am-ponja fa fanitsiana ny zavatra tsy nety nataony teny anivon’ny fiaraha-monina arahin’ny fanomanana azy sahady hiatrika ny fiainana andavanandro indray rahatrizay voatsara soa aman-tsara izy ka nahaefa ny saziny. Zazalahy kely tsy ampy taona miisa 6 araka izany no niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly tao amin’ny fonjaben’Ambalavatavoahangy Toamasina. Tao amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’i Toamasina I izy ireo no niatrika izany. Raha araka ny fanazavana azo hatrany moa dia nisy ny fianarana noratovony nandritra ny taona talohan’ny niatrehany ny fanadinam-panjakana CEPE omaly, narahin’ny fanaovana famerenana toy ny mpiadina rehetra. Samy manana ny fandaminany avy ny fonja tsirairay amin’ny fanatontosana izany.
Pati
Legende : Ireo ankizy voafonja niatrika CEPE omaly tao Toamasina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT