Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso

Misy miaramila dokotera manakorontana


  • Alakamisy 12 Oktobra 2023

Mbola tsy maina akory ny fery vokatry ny daroky ny mpitandro filaminana tamin’ny mpianatra tety Ankatso,

volana vitsy lasa izay, dia indro fa mbola miseho amin’ny endrika hafa indray izany ankehitriny, hoy ireo mpianatra avy amin’ny faritra eny amin’ny Cité U Ambohipo omaly. Tsy ekena ny fanaovana antsojay sy ramatahora toy ny fandrahonana ho faty ataon’ireo miaramila dokotera izay mitonona ho filohan’ny mpianatra ety amin’ny anjerimanontolo, hoy izy ireo. Niseho izany nandritry ny fandaminana ny momba ny tranon’ny mpianatra ny herinandro teo ka nitoriana mpianatra miisa 3 hiakatra fitsarana rahampitso (TTF: anio alakamisy 12 oktobra 2023). Angatahana fepetra hentitra ny mikasika io miaramila dokotera io, indrindra, ny tsy ahafahany miditra intsony aty amin’ny faritry ny oniversite. Mitodika amin’ny CROU-A sy ny tomponandraikitry ny oniversite mba hanadihady tsara ireny olona mitonona ho mpianatra ireny ary mampirisika ny fandraisana andraikitra mikasika azy ireny. Ry zareo gisalahy oman-ketsa indray no avo vava sy manao ramatahora milaza ho mahafantatra olona ambony. Tsy vao sambany nanao izao fihetsika toy izao io miaramila dokotera io fa efa nitondra lefona tao amin’ny tranona mpianatra ny namany, volana vitsy lasa izay, hoy hatrany izy ireo mikasika ity dokotera voalaza ho manankorotana ny fonenan’ny mpianatra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT