Namoaka mpianatra matihanina amin’ny fifehezana ny teny Anglisy ny Fikambanana Miahy ny
Olona Sahirana na ny FMOS etsy Anosizato Atsinanana izay manana ilay tanjona hanangana ny malahelo ho afaka amin’ny vovoka . Ny Sabotsy teo no namoahana azy ireo tamim-pomba ofisialy teny amin’ny Lion d’or Anosiavaratra, notarihin’ny filohan’ny Messenger American Eglish Club Hope sady filoha mpanorina ny sekoly Rakotomalala Liva Manitra mivady. Fantatra tamin’izany fa samy notolorana ny mari-pahaizana International Center for Tourism and Foreign language izy ireo rehefa nianatra amam-bolana maro ka ny ampahany afaka hampianatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avy hatrany, ny ampahany lasa mpandika teny raha misy ihany koa ireo mpitarika mpizahantany. Andiany faha-53 izy 250 mianadahy ireo izay miavaka tokoa satria efa mpikambana ao Texas avokoa, raha ao Italie kosa no mpiahy ny fikambanana hatreny am-piandohana. Afaka mandefa mpianatra 40 isa isan-taona any Texas araka izany ny fikambanana FMOS. Ho an’ireo hijanona eto an-toerana dia handeha hianatra asa any Fort-Dauphin ireo mpitarika mpizahantany raha hisy ihany koa ny hiazo an’i Morondava. Nomarihin’Atoa Rakotomalala Liva Manitra moa fa handoavan’izy mivady latsak’emboka 700 dolara isan-taona any Texas ny fikarakarana ireo mpianatra havoakany. Na izany aza tsy mieritreritra ny hampiakatra saram-pianarana izy ireo fa tena mitsinjo ny sahirana tokoa.
Pati
Legende : Nitso-drano ireo mpianatra nahavita ny dingana farany hahaleo hahalasana Ramose Rakotomalala Livamanitra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.