Fampianarana

Fizakan-tenan’ny oniversite Manantena ny HCC handinika lalina, hoy ny SECES Antananarivo


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Mbola tsy nahazoam-baovao hatreto ny mikasika ny tolo-dalana izay lany teny anivon’ny antenimiera momba ny fizakan-tenan’ny oniversite,

hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES Antananarivo, ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Mino sy manantena ary matoky ny fahendren’ireo mpikambana ao amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC izahay, hoy izy, mba handinika lalina hoe fa maninona tokoa moa ny antenimieram-pirenena sy loholona, izay lazaina fa samy misy mpahailalana, no manaiky ny handaniana izany tolo-dalana izany. Hitan’ny rehetra fa tena ilaina izany io fizakan-tena io satria fanoitry ny firoborobon’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana. Mitarika fisian’ny filaminana maharitra eto amin’ny tany sy ny firenena ny fisian’io zavatra io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT