FIVIDIANANA FITAOVAM-PIANARANA

Mbola tena mihisatra ny Ray aman-dReny


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Mbola tena mihisatra tanteraka ny Ray aman-dReny amin’ny fividianana ny fitaovam-pianaran’ny

mpianatra eto amintsika, na dia iray volana eo ho eo aza sisa dia hiditra ny mpianatra. Tsy misy izay tsy mikaikaika ireo mpivarotra nanaovana fanadihadiana tetsy Tsaralalana sy ny teny amin’ny Pavillon Analakely. Na ireo mpanontany aza zara raha misy fa any amin’ny sakafo avokoa no mihazakazaka ny ankamaroan’ny mpiantsena, raha araka ny fanazavan’izy ireo. Nambaran’ny mpivarotra iray fa ankoatra ny fahasahiranana hiainan’ny tokantrano Malagasy amin’izao dia saika niaka-bidy daholo ihany koa ny fitaovam-pianarana rehetra, antony tena mampiraviravy tanana ny Ray aman-dReny. Lasa vidiana 2.000 Ar mahery amin’izao ny iray amin’ny kahie 100 pejy raha mbola nahazo izany 1.500 Ar teo aloha. Lasa 1000 Ar ihany koa ny penina iray raha 500 Ar teo aloha miankina amin’ny karazany. Tsy lazaina intsony ny fiakaran’ireo karazana kojakoja ilain’ny ankizy madinika indrindra fa ho an’ireo mampiana-janaka amin’ny sekoly miteny Frantsay. Niakatra hatrany amin’ny 40% ny vidin’ireo pensily hazo miloko, ny marker….izay nambaran’ireo mpivarotra fa hatrany am-potony mihitsy. Amin’ny tapaky ny volana Aogositra ho avy izao izany hoe : amin’ity herinandro ity vao manantena ny fisokafan’ny tsena araka izany ireo mpivarotra izay hitohy hatramin’ny faran’ny volana.
Pati
Legende : Mbola tena maina ny tsenan’ny fivarotana fitaovam-pianarana eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT