Fividianana fitaovam-pianarana faramparany

Tsy afa-po ireo mpivarotra teny amin’ny Pavillon Analakely


  • Talata 12 Septambra 2023

Tamin’ny Sabotsy teo no fotoana faramparany tena nividianan’ny Ray aman-dReny fitaovam-pianarana

hitsenana ny fidiran’ny mpianatra anio alatsinainy 11 Septambra sy rahampitso talata 12 Septambra. Nanantena ny tena hangorom-bola ireo mpivarotra noho izany tamin’ny sabotsy teo saingy ny nifanohitra tamin’izay ny zava-nitranga. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray tetsy amin’ny Pavillon Analakely mantsy dia tsy araka ny nanampoizana azy mihitsy ny isan’ireo mpividy fitaovam-pianarana tonga teny an-toerana. Vitsy izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana azo. Nifanohitra tamin’izay kosa anefa ireo tazana nilahatrabe teny amin’ireo toeram-pivarotana ana teratany Karana teny Tsralalana. Raha araka fanazavan’ny Renim-pianakaviana iray dia efa tamin’ny 06 ora maraina izy no nilahatra teny an-toerana saingy efa olona miisa 15 no teo alohany. Tamin’ny 11 ora atoandro izy araka izany vao afaka teny an-toerana, nividy kahie sy penina mba mora fotsiny. Hahazoana kokoa mantsy ny mividy eny amin’ny karana noho ny mividy eny amin’ny pavillon Analakely, hoy izy ireo, noho ireto farany izay efa tena maka tombony mihoampampana. Tsiahivina moa fa saika mbola tsy ampy fitaovam-pianarana avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra efa nianatra tamin’ny herinandro. Mbola vao ny 30%n-ireo mpianatra isaky ny kilasy no nahafeno izany raha araka ny fanadihadiana natao tamina sekoly tsy miankina maromaro vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny.
Pati
Legende : Lafo loatra ny fitaovam-pianarana dia vidin’ireo Ray aman-dReny tsikelikely !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT