Fampianarana

Fiverenana an-tsekoly amin’ny 6 novambra Izay mpianatra salama ihany no afaka miditra


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra amin’ny alatsinainy 6 novambra ho avy izao ny ankamaroan’ireo sekolim-panjakana sy sekoly tsy miankina manerana ireo fari-piadidiam-pampianarana 25 isa nahitana ny soritr’aretina pesta teto amintsika.

Araka ny fanazavan’ny talen’ny sekoly La Prime etsy  Anosibe,  maromaro ireo fepetra napetraky ny  sefo ZAP nandritra ny fiofanana nomena ireny sekoly isan-tsokajiny ireny ho fiatrehana ny aretina. Anisan’ireny ny fananan’ny sekoly tsirairay avy ilay antsoina hoe : Comité de vigilance izay ahitana olona efatra miasa isan’andro  ka ny roa  miandry any anaty efitrano hametrahana ireo ankizy marary raha sanatria ka misy. Miandry eny an-tokotany kosa ny roa. Avy hatrany dia novatsian’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sarom-bava sy aron-tanana ary fitsapana hafanana avokoa izy ireny ka izay mpianatra salama ihany no afaka miditra any amin’ny efitranon-tsekoly. Tsy maintsy manana fanasan-tanana sy savony daholo ihany koa ny sekoly rehetra hahafahan’ny ankizy misasa matetika. Marihina   fa tsy maintsy manao tatitra eny anivon’ny ZAP isan-kerinandro koa ny sekoly rehetra manoloana ny zavatra natrehiny nandritra ny herinandro ho fiarovana ny ain’ny mpianatra. Mikasika ny fitohizan’ny fampianarana manokana ho an’ity sekoly tsy miankina iray ity dia hanomboka hanazava ny lesona nomena nadikan’ny mpianatra nandritra ny vakansy izy ireo amin’ny alatsinainy ho avy io. Eo ihany koa ny fanomezana ny valin’ny devoara nampanaovina ny mpianatra tany an-tokantranony.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT