Fampianarana

Fiverenana an-dakilasy Hiankina amin`ny filankevitry ny minisitra anio


  • Alarobia 04 Jolay 2018

Tontosa soa aman-tsara ny fihaonan’ny sendikan`ny mpampianatra sy ny praiminisitra Ntsay Louis Christian ny alatsinainy lasa teo. Vonona hiaraka hitady vahaolana sy hifampidinika izy ireo mba hamaliana ny fitakian`ireo mpampianatra.

 
Afa-po tamin`ny fihaonana ireo fiombonan`ny sendika ireo. Tapaka fa hajoro ny komity mpanara-maso izay ahitana ny solontenan`ny sendikan’ny mpampianatra : FM2F, MMF ... Eo ihany koa ny solontenan`ny primatiora sy minisiteran`ny FOP, ny minisiteran`ny tetibola ary ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena handrafitra ity komity mpanara-maso ity. Miandry ny filankevitry ny minisitra anio izy ireo mba handraisany ny asany na tsia. Miantso ireo hery velona rehetra, indrindra ireo tompon`andraiki-panjakana tokony haka fanapahan-kevitra mafy sy haingana ao anatin`izay, Arsène Ratolojanahary, mpitondratenin’ny komity mpanara-maso. Hisy fanambarana iraisana avy eto Antananarivo manoloana ny vahaolana fidirana an-dakilasy ny eto anivon`ny sendikà. Nohamafisiny anefa fa mandra-pahatonga an`izay vahaolana dia mitohy ny tolona manerana ny nosy. Noho izany, tsy mbola misy baiko miditra ao an-dakilasy raha tsy mazava tsara ny lalana ivoahana ato anatin`ity tolona ity, hoy hatrany ny fanazavana. Hifampitaona eo amin`ny tokotany lehiben`ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena izy ireo rahampitso vokatr`izay fampirarahana izay.

Ny talata 31 jolay no daty voatondro hanaovana ny fanadinam-panjakana CEPE raha ny tetiandro fampianarana navoakan`ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena taorian’ny tranga valan-aretina pesta. Ny 20 hatramin`ny 23 aogositra kosa ny fanadinana BEPC, izany hoe tokony ho efa nanomboka ny 30 mey teo ny adina ara-panatanjahantena ary ny volana jona teo no nanaovana ny adina ho an`ny Bakalorea.

 


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT