Fampianarana

Fivarotana laza adina BEPC hosoka 4 mianadahy no tratra teny Talatamaty


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Olona miisa 04 afak’omaly 03 jolay izay milaza fa manana laza adina BEPC ka mivarotra izany eo anivon'ny

tambazotran-tserasera sy amin'ireo Ray aman-dRenin'ny mpiadinano nosamborin’ny zandary. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Ambohidratrimo no angady nananana izany. Raha araka ny fantatra dia mpampianatra amina sekoly tsy miankina amin'ny fanjakana ny roa amin'izy ireo, raha olon-tsotra kosa ny roa ambiny, ka ireto farany no mitady an'ireo izay liana. Ny Tale jeneralin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Kapiteny Kaomandin'ny Vondron-tobim-paritra Ambohitratrimo, izay nidina ifotony teny Talatamaty kosa no nahatratra azy ireo.Maro no efa voafitak'izy ireo ary laza adina sandoka avokoa ireo naparitaka sy namidin'izy ireo 50.000 Ar ny iray, sady nitarika fikorotanan-tsaim-bahoaka. Anio Alarobia 05 Jolay no hiakatra fampanoavana izy 4 mianadahy ireto. Anisan’ny vesatra hiampangana azy moa ny "asa fisolokiana, fanaovana sy fampiasana hosoka, ary fanakorotanana filaminam-bahoaka".
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy sy ireo laza adina hosoka nampiasainy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT