Fitsinjarana efitra fanalana fanadinana

Mila fanamboarana fandaminana goavana


  • Talata 23 Jolay 2024

Mampahatsiahy ny fanehoan-kevitrana filohana antoko politika iray vao haingana hoe efa

maty ny rafi-pitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara ny fitarainana sy fimenomenoman’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra manala Bakalorea nanomboka omaly alatsinainy 22 jolay 2024. Mila fanamboarana fandaminana goavana ity fitsinjarana efitra fanalana fanadinana ity, hoy ny fanehoan-kevitrana ray aman-dreny iray manana mpiadina tetsy amin’ny CEG Avaradrova omaly. Izahay, hoy ny fanazavany, eny Ambohitrakely no monina. Ny zanakay mpianatry ny lisea Jules Ferry. Aty Avaradrova nefa no manala Bakalorea ilay zaza, hoy hatrany ny tenany. Mpiadina iray kosa tetsy an-kilan’izay no nilaza fa any Ambohimanarina izy no mipetraka kanefa dia eny Avaradrova koa no manala fanadinana. Soa ihany, hoy izy, fa manao «taxi» na fiarakaretsaka ny dadako. Misy koa ny monina any Ivato. Nanomboka tamin’ny 7 ora maraina moa ny fiantsoana ny anaran’ireo mpianatra tamin’iny omaly iny satria tamin’ny 7 ora sasany no tokony nanomboka ny taranja voalohany dia ny Filozofia. Misy amin’ireo ray aman-dreny no voatery manao fandaniana manokana mihitsy toy ny hoe manatitra ny zanany amin’ny fiarakaretsaka manoloana ny fahalaviran’ny toeram-panadinana. Mazava ho azy tsy afaka mamonjy fodiana ihany koa fa tsy maintsy eny an-toerana ihany no mitady toerana isakafoana. Manahirana ny fikarakarana ilàna fifoazana maraina be mihitsy raha tsy tiana ny sanatria fahataran’ny mpiadina satria manomboka amin’ity anio ity dia manomboka amin’ny 6 ora sasany maraina indray izay fiantsoana anarana izay. Ny takariva koa moa, fahasahiranana hafa ankoatran’izany, indrindra, raha sarotsarotra ny laza adina ka maha taraiky fodiana ireo mpiadina nefa ny fiara fitateram-bahoaka misy amin’ny 4 ora hariva dia efa tsy tonga any amin’ny farany intsony na efa lasa nody mihitsy. Ny tsy fandriampahalemana manginy fotsiny. Ny hirarian’ireo ray aman-dreny rehetra aloha izany dia ny hoe enga anie tsy hiverina intsony ny Bacc labozia! Mbola tsy tafapetraka ao anaty fomba fitantanana eto Madagasikara hatramin’izao ve izany ny isan’ny fitsipika volamenan’ny atao hoe mitantana firenena dia ilay hoe ny fitantanana dia fitsinjovana ny hoavy na «gouverner c’est prévoir!»?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT