Fampianarana

Fitokonan’ny Lisea Teknika Antsirabe Tsy manaiky lembenana ny mpampianatra


  • Talata 19 Jona 2018

Na dia efa nahazo minisitra vaovao aza ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa dia mbola nanamafy ny fitokonany indray omaly ny mpiasa.

Nifamory indray ireo mpampianatra ka nanapa-kevitra ny mbola hanohy ny fitokonany. Mbola nohamafisin’izy ireo hatrany ireo fitakiana hiraisana manerana an’i Madagasikara, amin’ny tombontsoan’ireo mpampianatra. Ny famerenana sy fanatanterahana ny fandraisana ireo mpampianatra 2.500 manerana an’i Madagasikara sy ny fandraisana ireo mpampianatra ho mpiasam-panjakana fa tsy “Contractuel” tsy nisy intsony nandritra ny 6 taona. Fa ho an’i Vakinankaratra dia takian’ireo mpiasa ny hanoloana amin’ny toerany ny talem-paritry ny fampianarana teknika, Atoa Ralaiarimiadana Denis Philippe. Nambaran’ireo mpampianatra fa manana olana matetika tamin’ny mpampianatra manerana an’i Vakinankaratra hatrany ity tompon’andraikitra ity na tamin’ny fampidirana mpiasa, izay nampidirany ny havany akaiky, tsy niasa akory tamin’ny sehatra teknika ary amin’izao fotoana indray dia akepony ny tambin-karaman’ireo mpiasa tsy raikitra (ECD), hoy ny mpanao fitokonana. Raha nihaona tamin’ity tompon’andraikitra ity mantsy ireo mpitarika ny fitokonana ny zoma 15 jona 2018 lasa teo dia valin-teny an’avona no nataony ireo mpiasa satria efa re fa ao ny volan’ireo mpiasa ECD ireo saingy norahonana fa tsy homeny raha tsy miverina mampianatra ny mpampianatra. Nohamafisin’ireto mpampianatra eto Antsirabe ireto fa vonona hihaona amin’ny minisitra tompon’andraikitra mivantana izy ireo mba hametrahana ny marimaritra iraisana mialoha ny hiverenan’izy ireo handray ny asany.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT