Fampianarana

FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA Mihazakazaka amin’ilay azo aloha tsikelikely ny Ray aman-dReny


  • Zoma 12 Jolay 2024

Miferinaina amin’ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra sahady ny ankamaroan’ny

Ray aman-dReny na dia vao manomboka aza ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe. Voafetra ihany mantsy ny fotoana hahafahana manavao ny fisoratana anarana ho an’ireo sekoly tsy miankina maro isan-tsokajiny raha tokony efa hovidiana tsikelikely ihany koa ny fitaovam-pianarana mba tsy ho tratra ilay fiakaram-bidy mihoampampana ka hiteraka fahasahiranana goavana. Hatreto mantsy raha araka ny fanadihadiana natao dia efa tafakatra hatrany amin’ny 20% ny fiakaran’ny vidin’ny fitaovam-pianarana ka ny kahie no tena ahitana izany. Lasa mihazakazaka any amin’ilay azo aloha tsikelikely avokoa ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny noho izany. Sekoly tsy miankina maro rahateo no efa manao sy mampihatra izany amin’izao hanalana fahasahiranana ny Ray aman-dReny. Na izany aza dia tsy maintsy aloha miaraka amin’ny fandraisana ny fitaovana voalohany kosa ny ampahatelon’ny vidin’ny fitaovana iray manontolo. Raha mitontaly 90.000 Ar ohatra izany dia tsy maintsy aloha ny 30.000 Ar rehefa maka ny fitaovana. Raha araka ny resaka nifanaovanay tamina talen-tsekoly iray dia ny 60%-n’ny Ray aman-dRenin’ny no efa manao izany ankehitriny. Manomboka ny faran’ny volana Septambra kosa ny fandoavana ny ampaham-bola faharoa raha ny Oktobra ny farany izay marihina fa miaraka amin’ny saram-pianarana avokoa.
Pati
Legende : 20% raha kely ny fiakaran’ny vidin’ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra eny an-tsena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT