Fitaovam-pianarana

Vao ny 30%-n’ny mpianatra


  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

no nahafeno izany

Saika nandia ny varavaran-tsekoly nanomboka ny herinandro lasa teo avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra, indrindra fa ny teny anivon’ny sekoly tsy miankina. Raha araka ny fanadihadiana natao dia mbola tsy feno araka ny nantenain’ny talen-tsekoly ny isan’ ireo mpianatra tonga. Raha miisa 30 ohatra no ao anatin’ny kilasy iray dia vao ny 20 isa eo no tonga. Ankoatra izay dia mbola vitsy ihany koa ireo manana fitaovam-pianaràna feno. Kahie sy penina no tsy maintsy hoentina dia mijanona eo. Mbola baraingo kosa ny resaka boky nampividianan’ny sekoly izay nambaran’ny talen-tsekoly iray fa misy mpianatra tsy manana izany mihitsy mandrapahatapitry ny taona fa mihindrana amin’ny namany. Tsy afaka mampiato ilay mpianatra koa anefa izahay hoy hatrany ity talen-tsekoly iray ity fa tsy maintsy miandry izay fotoana hananan’ilay mpianatra sy mampahatsiahy azy hatrany ireo fitaovana tsy ampy noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Fantatra moa fa mbola betsaka amin’ireo mpianatra koa no tsy manana fanamiana manokana hanaovàna fanatanjahantena sy ny aron’akanjo. Ity farany no tena tsy azo handeferana hoy hatrany ny talen-tsekoly fa tsy maintsy vidiana ary tokony hanao izany avokoa ny mpianatra rehetra manomboka amin’ny volana Oktobra ho avy io. Mikasika ireo fitaovana tsy ampy kosa dia nanaovana fanentanana sy fampahatsiahivana matetika mba hividy izany tsikelikely ny Ray aman-dReny hitovian’ny lentan’ny fahaizan’ny mpianatra sy tsy hampalaina ireto farany.
Pati

 

Legende : Mbola tsy ampy fitaovana ny ankamaroan’ny mpianatra any an-tsekoly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT