Fampianarana

Fitantanana tsy mazava Nesorina ny filohan’ny Oniversite Toamasina


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Nesorina tamin’ny toerana maha Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina Atoa Zafitody Conscient,

 

 

 

araka ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny Filankevitry ny Minisitry omaly 03 martsa. Antony maro no voalaza fa antony: fisian’ny fitantanana tsy mazava, tsy fifehezana ny Oniversite araka ny voalazan’ny didy aman-dalàna mifehy ny Oniversite voafaritry ny didim-panjakana laharana 2002-565 tamin’ny 04 jolay 2002 nasiam-panovana sy ny didim-panjakana Laharana 2012-688 tamin’ny jolay 20212, ary ny didim-panjakana laharana 2015-1510 tamin’ny 09 novambra 2015. Nambara ho nanodinkodina ny volan’ny mpianatra ampiasaina amin’ny zavatra izy, araka ny fanadihadian’ny tompon’andraikitra; notondroina ho tsy nahay nitantana ny oniversite izay mifono fanararaotana,… ka natsahatra tamin’ny asany. Voarainy tamin’ny volana jolay ny tetibola hoentina mandoa ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana, saingy nampiasainy tamin’ny zavatra hafa izany rehefa nodinihina ireo fampiasam-bola nataony nandritra ny fotoana nahazoany ny vola ka hatramin’ny nivoahan’ny tetiandro handoavana ny vatsim-pianarana izay tsy tanteraka raha tsy nisy ny famoizana aina mpianatra, hoy hatrany ny filankevitry ny Minisitra. Voalaza fa nivarotra ireo fiaran’ny Oniversite izay nasiam-panamboarana tamin’ny tetibolan’ny Oniversite ihany koa Atoa Zafitody Conscient ary tamin’ny vidiny 1 tapitrisa hatramin’ny 3 tapitrisa Ar monja no namarotana azy. Nivoitra ny fahadisoana bevava teo amin’ny fitantanana ny oniversite ka mitarika ny fanalana azy, hoy ny Fanjakana. Misy ny lesoka avy amin’ny mpitantana kanefa sahy milaza ihany koa ve ny Fanjakana foibe fa tsy misy fahadisoany ny olana marolafy miseho ankehitriny? Tena ampy sy mazava ve ny fitantanana ara-bola amin’ny vatsim-pianarana sa zara aza aloha misy fahadisoan’ny tompon’andraikitra sasany hanilihana ny rihitra rehetra ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT