Fampianarana

Fitakian’ny mpiasan’ny CNAPMAD Ahiana hiantraika amin’ny laza adina CEPE…


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

“Andriamatoa Filoha hajaina, vonjeo fa mijaly izahay: karama, OSTIE, CNaPS ! Misaotra Tompoko”, hoy ny antso avo nataon’ireo mpiasan’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériel Didactique) manana foibeny eny Ankorondrano.

 

 

 

Ny volana febroary no nandray karama farany ireo mpiasa, nisy mihitsy no namoy ny ainy noho ny latsakemboka tsy naloha teny amin’ny OSTIE sy ny CNaPS tsy nahafahana nisitraka fitsaboana. Mahatratra 950 tapitrisa ariary ihany koa ny saran’ny fanontana ny laza adina tamin’ny fanadinam-panjakana 2019, izay tsy nalohan’ny fanjakana. Mahatsiaro ho tsy misy mpiahy ireo mpiasa izay voalaza hatreto fa tsy migrevy fa manaitra. Manakaiky ny fanadinam-panjakana 2020, toy ny CEPE amin’ny 01 septambra izany hoe afaka 21 andro. Nambara fa efa vita ny laza adina ka asa na efa voatonta na tsia. Raha mbola tsy voatonta dia ahiana hiantraika amin’ny fanontana ny laza adina CEPE izao olan’ny CNAPMAD tsisy mpijery izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT