Fampianarana

Fitakiana vatsim-pianarana Nitroatra ihany koa ny ENS Ampefiloha


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Taorian’ny teny Ankatso afak’omaly, ny mpianatry ny ENS (Ecole Normale Supérieure) indray no nitokona sy nidina an-dalambe omaly alarobia 06 aprily 2022.

Mitaky ny famoahana ny vatsim-pianarana 5 volana tsy voaloa miaraka amin’ny fampitaovana ao anatin’ny fotoana fohy izy ireo. Efa nitaky am-pahendrena foana izahay, saingy tsy nisy vokany. Isam-bolana no tokony ho izy fa tsy isaky ny 5 volana. Nigrevy ny teny Ankatso, nigrevy ny teny Vontovorona ka nivoaka ny azy, ka toa miandry grevy vao misy, hoy ny mpitarika ny mpianatra. Nivoaka ny tetiandro fa tsy nahazo. Nitaky am-pilaminana foana, tsy misy mihaino izahay, efa maro ny fitakiana, hatramin’izao tsy mivoaka. Naloa ny vatsim-pianarana teny Ankatso taorian’ny grevy, ka mihetsika ihany koa izahay, hoy hatrany ireo mpianatra. Raikitra moa ny filanjana sora-baventy sy fanapahan-dàlana, fandorana kodiarana, teny Ampefiloha omaly maraina, ka tapaka tanteraka ny árabe, tsy nisy afaka nandeha ny rehetra na olona na fiara. Antsasakadiny taoriana no tonga nandrava ny hetsika sy nanaparitaka ireo mpianatra ny mpitandro ny filaminana, ka tany amin’ny 12ora vao nilamindamina ny toe-draharaha. “Ny fakiolite na sekoly ambony nigrevy nahazo dahalo, izahay anefa tao anatin’ireny grevy ireny. Nivoaka ny tetiandro, efa iny ka nambara fa tsy misy tokony ahiana intsony. Tonga anefa ny omaly, tsy nisy ny fandoavana”, hoy ireo mpianatra nanamafy. Nanitrikitrika ireo mpianatra fa tsy hijanona intsony ny grevy, tonga ny vatsim-pianarana vao mijanona ny fitakiana. “Vatsim-pianarana mivoaka angamba vao mety hampijanonana an’ireo, ary izahay efa tsy dia inoan-teny satria tahaka ny mampandry adrisa”, hoy ny mpitarika ny mpianatra. Tamin’ny 12 ora atoandro vao nifanarana ny hetsika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT