Fampianarana

Fitakiana vatsim-pianarana Nangotraka indray ny grevy teny Vontovorona


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Nitohy omaly ny grevin’ny mpianatra teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona. Misy ny 3 volana tsy mbola azo, ao ny vatsim-pianarana nanaovana fanamarihana na “reclamation”.

Raikitra ny fanakan-dàlana, nisy ny fifandonana, toraka vato sy biriky,… nataon’izy ireo nanoloana ny mpitandro filaminana izay tonga teny an-toerana. Ny volana hitsahina no tokony handoavana ny vatsim-pianarana. Iandrasana grevy vao misy mihetsika, avy eo vao hoe mandeha ny fifampiresahana, hoy ny mpianatra, izay naneho fa betsaka ny tsy mbola nahazo vatsim-pianarana. Efa tonga teny an-toerana nandamina ny vatsim-pianarana ny avy amin’ny Minisitera omaly. Efa nandeha ny fandaminana ny lisitra, vitsy no voarain’ny Minisitry ny paositra. Mbola nisy ny fandraisana “réclamation” teny Vontovorona omaly. Lisitra avy amin’ny oniversite no iaingana, tsy ampy ny lisitry ny mpianatra nanao fanamarihana nalefan’ny oniversite, hoy ny Talen’ny famoahana ny vatsim-pianarana eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony Atoa Andriambinintsoa Toky tamin’ny haino aman-jery iray omaly. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy, fa ho tapitra ny fe-potoana 72ora nomen’ny Fikambanan’ny mpianatra eny Ankatso ka milaza ny hihetsika mafy kokoa izy ireo, raha sanatria ka tsy mivaly ny fitakiana.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT