Fampianarana

Fitakiana vatsim-pianarana eny Ankatso Hiroso amin’ny dingana ambony kokoa ireo mpianatra


  • Zoma 02 Septambra 2022

Nandoro kodiarana, niorakoraka, nisiotsioka, nidina an-dalambe teo Ankatso indray omaly maraina ireo mpianatry ny

oniversiten’Antananarivo naneho ny tsy fahafaliana mikasika ny resaka fitsinjarana vatsim-pianarana sy ny mbola tsy filaminan’ny fandraketana an-tsolosaina ny anaran’ireo mpianatra mpikaroka tokony hisitraka izany. Fa maninona, hoy izy ireo, no olona tsy mahafehy ilay tekinolojia no asain’ny fitondram-panjakana mikirakira izany? Maninona ihany koa no rindram-baiko tsy mifanaraka no ampiasaina? Niandry 72 ora izahay saingy tsy nahazo valiny mahafa-po na teo amin’ny lafiny tetiandrom-pizarana vatsy io na teo amin’ny resaka fampitam-baovao, hoy ny mpitarika ny hetsika, Andry Zo Randriamahaleo. Hiroso amin’ny dingana ambonimbony kokoa izahay saingy hifampitsinjo amin’ny namana ao amin’ny EGS izay manao ranty ho an’ny mpianatra na “Salon des etudiants” koa izahay. Tsy ny mpianatra mitovy aminay no hanananay olana fa ny fitondram-panjakana izay hanaovanay antsoavo hoe jereo ny vahaolana maharitra mba tsy hitoizan’ny toy izao intsony, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT