Fampianarana

Fitakiana vatsim-pianarana efa-bolana Mpianatra 2 naratra mafy tany Toliara


  • Zoma 26 Febroary 2021

Toy ny tany Antsiranana, Toamasina, Antananarivo, Fianarantsoa,… dia raikitra ny fitokonana tao

 

 

 

 amin’ny Oniversiten’i Maninday Toliara omaly. Raikitra anefa ny fifandonan’ny samy mpianatra, ka roa no naratra mafy. Ny andaniny mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny fampitaovana, ny fanamboarana ny toeram-pivoahana sy ny famitana ny trano R+3, ary ny “validation de diplôme” na fankatoavana ny mari-pahaizana, fanamboarana ny toeram-pivoahana na “WV”,…. Ny ankilany kosa izay tondroin’ireo mpanao fitakiana ho “mpamono afo” nitaky ny hanajanonan’iretsy voalaza ambony iretsy ny fitakiana sy hanohizana ny fianarana ary ny handraisana ny vatsim-pianarana iray volana. Niditra an-tsehatra ihany koa ny mpitandro ny filaminana nandrava ny grevy. Hitohy eny Andatabo ny fitakiana anio 26 febroary hoy ireo mpianatra mitokona. Raikitra ny fanomezan-tsiny eo amin’ny samy mpianatra, ary raisin’ny andaniny ho misy ambadika sy famporisihana avy amin’ny Fanjakana tsy hanao fitakiana kanefa tombotsoa iraisana, ary tsy ny ao Maninday ihany, fa saingy ireo oniversitem-panjakana eto an-toerana no mitaky, fa tokony haloha avokoa ny vatsim-pianarana tamin’ny volana nitsahina. Tsy tena mbola mivaha hatramin’izao ny olan’ny vatsim-pianarana na somary mangingina aza aloha ny fitakiana ho an’ireo Oniversite tena niditra lalina tamin’io tao anatin’ny tapa-bolana. Toa lasa misy fampifandrafiana ny mpianatra ihany koa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT