Fampianarana

Fitakiana vatsim-pianarana 4 volana Nanome 24 ora ny fanjakana ny Polyteknika


  • Zoma 12 Martsa 2021

Mitohy indray ny fitakian'ny mpianatra eny amin’ny Sekoly ambony Polyteknika na ny ESPA Vontovorona,

 

 

 ka raikitra ny fandorana kodiarana teo amin’ny vavahady miditra ny toeram-pianarana omaly. Mitaky hatrany ny vatsim-pianarana 4 volana sy fampitaovana izy ireo satria tsy tanteraka ny teny nampanantenain'ny Ministera mahakasika ny fivoahan'ny « calendrier de bourse 4 mois » taorian'ny fahavitan'ny « digitalisation », araka ny ambaran’ireo mpianatra. Tsy dia fitakiana miharo herisetra fa nilamina kokoa ny omaly. Hatreto mbola fitakiana milamina aloha no hataon'ny mpianatra fa raha tsy mivaly ao anatin'ny 24 ora izany dia milaza hiverina hidina an-dalambe, hoy hatrany izy ireo. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny fiandohan’ity volana ity no nivoaka ny tetiandro fizarana ny vatsim-pianarana 1 volana miampy fampitaovana, saingy tsy nahafaly ireo mpianatra. Somary niato ny fitokonana nanomboka ny 04 martsa, saingy io mitohy io indray. Ny tany Toliara kosa dia novaliana 100% ny fitakiana, ary nomena omby 3 ny mpianatra. Efa nivoaka ihany koa ny tetiandron’ny 4 volana miampy fampitaovana any Toamasina.

MIANTSO FITONIANA NY MINISTERA SY NY CFM

Nilaza kosa ny minisitra Assomacou Elia Beatrice omaly, fa tsy ho an’ny mpianatra ny polyteknika ihany ny fitakiana fa ho an’ny rehetra rehetra. Mitety oniversite ny minisitera izay miara-miasa amin’ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana mba hisorohana ny olana. Ao anatin’ny fanajariana ny lisitry ny mpianatra misitraka ny vatsim-pianarana. Misy ny tsy tonga tamin’ny fanisana. Misy ny efa nahavita, ary manafaingana ny mbola tsy vita ny Ministera, hoy io Minisitra io. Niantso fitoniana ny Filohan’ny CFM, ary niantso ihany koa ny manampahefana hidinika sy hitady vahaolana. Niara-niaiky ny roa tonta fa ny fifampidinihana ihany no ahafahana mametraka ny fitoniana. Ny eto Antananarivo mitarazoka, fa ny tany Toliara tonga dia novaliana taorian’ny sakoroka. Nomena tombony tamin’ny fanomezana omby aza, ka misy ny mpianatra mahatsapa mizana tsindrian’ila.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT