Fampianarana

Fitakiana sendikaly sy raharaham-pirenena Hanao fivoriambe ny SECES ny zoma izao


  • Talata 23 Mey 2023

Mafampana indray ny raharaha sendikaly eny anivon’ny anjerimanontolom-panjakana eto Madagasikara. Taorian’ny fanambarana fanamafisana ny fitakiana samihafa nataon’ny rantsana samihafa teo anivon’ny Sendikan’ny

mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra toy ny teto Antananarivo sy tany Toamasina, izay efa nisy mihitsy aza no nanambara fa hampitsahatra ny fampianarana, dia hiroso amin’ny dingana ambony kokoa ny SECES, raha ny loharanom-baovao. Hisy ny fivoriambe hataon’io Sendika SECES io ny Zoma faha 26 May 2023 ho avy izao amin'ny 10/ora sasany eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Fitakiana ny zo aman-kasin'ny mpampianatra mpikaroka, ny fahaleovantenan'ny oniversite ary ireo vary mangatsiaka mbola tsy voahefan'ny fanjakana (reliquat, indemnité de recherche et investigation, heure complémentaire, reclassement, recrutement) no isan'ny dinika, raha ny loharanom-baovao. Efa an-taonany maro no tsy mety mivaha ny olana, mitombo ny vary mangatsiaka eny anivon’ny fampianarana ambony. Voalaza fa haneho hevitra mahakasika ny tontolo politika misy ankehitriny ihany koa ny SECES ankoatran'ny fitantanana misy eo anivon'ny ministeran'ny fampianarana ambony. Manoloana ny fivoriana sendikaly samihafa mandeha, dia mandeha ny fanaraha-maso ataon’ny Fanjakana manoloana an’izany satria ahiana mafy hifandrohy sy hifameno amin’ny mety ho hetsika politika eo anatrehan’ny toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Tsara ny manamarika fa isan’ny tazana tao anatin’ilay fikaonan-doha nikaton-trano tetsy amin’ny Astauria Antanimena ny zoma 19 may lasa teo ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo Pr Ravelonirina Sammy Grégoire.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT