Fampianarana

Fitakian`ny mpampianatra “Mila jerena ifotony ny olana”, hoy ny UNMDH


  • Talata 24 Jolay 2018

Mbola mipetraka foana ny ahiahy eo anivon`ny ray aman-dreny mahakasika ny tontolon`ny fampianarana eto Madagasikara satria misy safidy tokony hatao.

Zon`ny ankizy hianatra ve sa zon`ny mpampianatra hitokona ? Manahirana tokoa ny zava-mitranga eto amin`ny firenena ankehitriny, raha ny nambaran`ny filohan`ny Mpiaro ny zon`ny olombelona (UNMDH), Rtoa Hanitriniala Rafolisisoa, satria samy manana izay zo izay na ny mpianatra tokony hahazo sy hisitraka ny fianarana tsy ho tapatapahina ary ao antin`ny fanambarana maneran-tany ny zon`ny olombelona sy ao anatin`ny lalàna iraisam-pirenena momban`ny zon`ny ankizy ihany koa. Etsy an-daniny, zo feno ihany koa no mitokona raha misy zavatra manahirana na takiana nefa tsy azo. Nohamafisiny fa tsara jerena ifotony izany ary tsy atao jery miangatra fotsiny fa mila jerena ny olana mahazo ireo mpampianatra. Taloha, niaina ara-tokony ho izy ireny na ny karamany na ny tombon-tsoa. Manana ny enti-manana rehetra ny mpampianatra… Taty aoriana, niha- nikorosofahana  ny fijerena manokana ny karama, hoy izy. Raha ny tarehimarika aty Afrika, isika Malagasy no kely karama indrindra maneran-tany kanefa mamolavola olom-pirenena vanona, hitondra sy hitantana firenena.  Nohamafin`i Hanitriniala Rafolisisoa fa tsy mbola nisy kosa ny fandrahonana nataon`ireo mpampianatra fa ny zony no takiany. Ny mpanabe no tena asa be indrindra satria tsy maintsy mikaroka, mitady zava-baovao fa tsy afaka mionona amin`ny boky nentim-paharazana. Ohatra noraisiny ny mpianatra miala sasatra, ny mpampianatra kosa manao fiofanana. Olana efa ela ny an`ny mpampianatra ka tsy tokony hosafosafoina. Mila jerena akaiky ny olana mahakasika ireo mpampianatra fa tena marary anay ray aman-dreny hoy hatrany ny fanazavana. Etsy an-kilany, jerena koa ny ankizy satria maro ny zavatra nitranga tamin`ity taom-pianarana ity toy ny grevy, pesta, … Misy fiantraikany amin`ny fianaran`ny ankizy ireny. Ohatra tamin`ny valanaretin`ny pesta, tsy nalefa nianatra ny ankizy satria ny firenena nahantra ka tsy afaka nandray fepetra farany izay haingana satria tsy maintsy nangataka tetsy sy teroa ka izay vao nisy fiarovana. Nisy fiantraikany tamin`ny fandaharam-pianarana izany. Mitaky fanovana ankehitriny ireo sendikalista. Ho an`ny UNMDH dia hiditra rivo-baovao ao aoriana ny fifidianana raha tokony ho izy, ka izay mpitondra tonga eo dia mila mivonona hanova ny tontolon`ny asa rehetra fa tsy izay nitaky ihany no omena mba hampiova ny faripiainana amin`izao. Manamafy hatrany ny filohan`ny UNMDH fa mila mifampidinika hatrany ifotony ireo tompon`andriakitra fa tena simba ny tontolon`ny fampianarana eto Madagasikara. Raha sanatria hisy ny taona fotsy na tsy handeha ny fanadinana dia hijaly ireo zanaka Malagasy ireo ary fijaliana lalim-paka ho an`ny ray aman-dreny. Maika izahay hiditra anatin`ny fifidianana, hiroso amin`ny fanovana, hoy izy. Ilaina ny fijerena ifotony ny zon`ny mpampianatra sy ny zon`ny ankizy mba tsy hisy fahaverezana amin`ny ezaka nataon`ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny ankizy, hoy hatrany ny fanazavana.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT