Fampianarana

Fitadiavana lalan-kizorana aorian’ny fianarana


  • Talata 25 Aprily 2023

Nifampizarana fampivelarana mahaolona ny mpianatry ny ESSVA

Amin’ny maha isan’ireo mpianatra andiany faha 5 nisalotra ny anarana «Sahisedra» tao amin'ny sekoly ambony ESSVA Antsirabe, izay nivoaka ny taona 2007 azy, dia nihaona tamin'ireo mpianatra am-periny sy tranainy miisa 1000 mahery tao mba ho tamberin'andraikitra ho an'ny sekoly izay nipoirany sy nanovozany fahalalàna ilay mpanao politika, mpandraharaha, mpampianatra fampivelarana ny mahaolona na «développement personnel», Durlin Retogniane, omaly 24 aprily 2023. Ny tanjona dia ny mba handrafetana tsara ho mafy orina ny toetsain'ireo mpianatra ka ho afaka hisedra ny fiainana, hoy izy. Izay indrindra no nahatonga ilay fifampizarana tamin'ny alalan'ny fampivelarana ny mahaolona sy ilay toetsaina entina mandraharaha mba hahaizany ny lalan-kizorana rehefa mivoaka ao amin'ny sekoly izy ireo. Izany fifampizarana izany moa dia notronon'ireo mpampianatra sy mpiraki-draharaha eo anivon'ny sekoly. Na dia naharitra ora 4 aza ny fotoana nifampizarana dia hita fa tsy ampy ho fampianarana manontolo ny atao hoe fampiarahana ny fampivelarana ny mahaolona sy fanabeazana ara-bola. Tafavoaka daholo ihany anefa ireo hevi-dehibe ary afa-po ny tenako no sady nahita fa resy lahatra ny mpanotrona, hoy hatrany ny tenany. Maro rahateo ny tanora sahirana mitady lalan-kizorana aorian’ny fianarana natao ka tena ilaina ny tan-tsoroka toy izao, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT