Fampianarana

Fisoratana anarana - Sekolim-panjakana 22.000 Ar isaky ny mpianatra ny vola aloa


  • Talata 17 Aogositra 2021

Nanomboka omaly alatsinainy 16 aogositra ny fisoratana anarana eny anivon’ireo sekolim-panjakana eto amintsika ho an’ny taom-pianarana 2020-2021.

 Velon-taraina mafy ny ankamaroan’ireo Ray aman-dReny amin’ny ankapobeny noho ny havesatry ny vola aloa. 22.000 Ar isaky ny mpianatra mantsy izany raha kely raha araka ny fitarainan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra iray. Tsy maintsy mandoa 66.000 Ar araka izany raha manan-janaka miisa 3. Tsy misy ny fihenam-bidy mihitsy hoy hatrany ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra iray nanaiky niresaka taminay. Eo an-danin’izay anefa hoy izy dia mbola tsy maintsy hitadiavam-bahaolana ihany koa ny vola hividianana fitaovam-pianarana izay manodidina ny 80.000 Ar isaky ny mpianatra ihany koa raha kely indrindra. Araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ireo sekolim-panjakana sasany moa dia fantatra fa miankina amin’ny isan’ireo mpampianatra FRAM ny vola alohan’ny Ray aman-dReny eny anivon’ny talen-tsekoly. Toraka izany koa ireo kojakoja ilaina ho fampandehanan-draharaha. Misy mantsy mahatratra 8 ireo mpampianatra FRAM mbola tsy voaray ho mpiasam-panjakana tsy maintsy handoavam-bola nefa mampianatra manao ny ainy tsy ho zavatra ka tsy azo jerem-potsiny. Samy manana ny fanapahan-kevitra raisiny kosa ny sekoly tsirairay manoloana ny fihenan’ny vola alohan’ny Ray aman-dReny raha manan-janaka mihoatra ny iray izy ireny.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT