FISOLOKIANA DIPLAOMA AVY AMIN’NY SEKOLY AMBONY

Misy tonga hatrany am-pita ireo tanora sasany vao tratra


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Betsaka ireo tanora Malagasy te-hiasa any am-pitandranomasina.

Noho ny fitontongan’ny lanjam-bola eto Madagasikara sy noho ny tsy fisian’ny tsenan’ny asa eto amintsika no antony mahatonga izany. Misy koa anefa ireo tsy te-hisahirana akory nefa te-hahazo asa tsara any ivelany, antony mampanaotao foana ny sasany. Misoloky diplaoma amin’ireny sekoly ambony tsy miankina ireny izy ireo ary milaza ho mpianatra tena navoaka ofisialy mihitsy. Licence raha kely ny diplaoma lazain’izy ireny fa hananany raha mbola misy mihoatra lavitra noho izany ny an’ny sasany. Ho ana sekoly ambony tsy miankina iray dia nambaran’ny tompon’andraikitra ao aminy fa nisy tonga hatrany am-pitandranomasina mihitsy ireo tanora nisoloky ho mpianany. Tsy mbola tratra teo noho eo izany raha araka ny fanazavany fa taorian’ny asa nampandraiketin’ilay orinasa tany ivelany ilay tanora mpianatra. Tsy nisy tafavoakany mihitsy mantsy izany, antony niantsoan’ny tompon’ilay orinasa ny tompon’andraikitra voalohany teo anivon’ilay sekoly. Fantatra taorian’izany moa fa tena tsy mpianatra nivoaka tao amin’ilay sekoly ambony tokoa ilay tanora mpianatra fa nisoloky diplaoma sy anaran-tsekoly fotsiny ihany.
Pati
Legende : Afaka tarafina amin’ny fari-pahaizana hananany ny diplaoman’ny tanora mpianatra iray !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT