Fampianarana

Firenena Italianina Vonona hampihatra ny "plan Mattei" eto Madagasikara


  • Alakamisy 27 Aprily 2023

Naneho ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasa amin'i Madagasikara ny firenena italiana eo amin’ny sehatry ny famokarana angovo azo havaozina,

 indrindra, ao anatin’ny fampiharan'i Italie ny "plan Mattei" miaraka amin'ireo firenena Afrikana, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly mikasika ny fametrahan’ny masoivohon’i Italia vaovao eto amintsika ny taratasy ofisialy manendry azy. Io no anisan'ny noresahana nandritra ny fanoloran’ny masoivoho vaovao, Paolo Cuculi, ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Noresahan'ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fahaiza-miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro, ny varotra sy ny fiompiana sy fambolena na "agro-alimentaire". Maro ireo mpizahantany italiana no mitsidika an'i Madagasikara, indrindra fa ao Nosy-Be, ka naneho ny fahavononany ny firenena roa tonta fa hanao ny ezaka rehetra hampiroborobo io sehatra io sy ny isan'ireo mpizahantany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT