Fampianarana

Fiofanana aman’andro na “formation a la carte” Efa maro no manao azy eto Madagasikara


  • Alarobia 29 Jona 2022

Mitohy hatrany ny fampiofanana matihanina ato amin’ny YS Group, hoy ny isan’ireo mpampiofana, Yves Raheriniaina, tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Ampefiloha omaly.

Isan’izany manomboka rahampitso (TTF: anio) ny resaka fitantanana tetikasa na “gestion de projet”, hoy izy. Eo koa ny resaka fitsirihana anatiny na “audit interne”. Ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny hafa rehetra. Fiofanana samy handeha amin’ity herinandro ity daholo izany. karazany ny olona miofana ato. Misy mpiasam-panjakana, misy amin’ny sehatra tsy miankina, mpiasam-panjakana ambony, tomponandraikitra ambony, mpianatra, izany hoe, tsy mifidy ary sady misy teratany Malagasy no vahiny. Aman’andro, toy ny hoe 2 na 3 andro ny fiofanana nefa dia afa-po ireo mpiofana matoa misy miverina in-dimy ary manaraka fiofanana samihafa hatrany. Efa fironana manerana izao tontolo izao mihitsy ankehitriny io fiofanana aman’andro na ilay antsoina hoe “formation a la carte” io. Na eto Madagasikara aza efa maro no manao azy. Ny anay moa dia ny endriny amerikanina no nofidinay, izany hoe, misy sakafo na ody am-bavafo toy ny “pause café” sy ody refona na “cocktail”, hoy isika. Lafo sy tsy zakan’ny malagasy ilay izy raha atao toy ny any amin’ny firenen-kafa fa miezaka isika mametraka sarany zakan’ny maro. mitentina 175.000 Ariary izao ny anay no farany ambany, hoy hatrany ny tenany
J. Mirija
Legende: Yves Raheriniaina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT