Fampianarana

Filankevim-pirenen’ny SECES Handinihana ny raharaham-pirenena sy hanapahan-kevitra


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Misy mpianatra lany saran-dalana mandroso sy miverina manantena hoe hianatra sa tsy hianatra indray anio,

hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra sampana Antananarivo na SECES Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Very fotoana fotsiny, hoy izy. Ny mpampianatra koa, toy ny eny amin’ny Ecole Normale Supérieure eny Ampefiloha manokana izao dia ny mpianatra mihitsy no mitokona tsy hianatra. Misy zavatra notakiany mbola tsy azony dia ny mikasika ny zo manokan’ny mpiofana ao amin’ny ENS eo amin’ny fandraisana azy ireo amin’ny asa fampianarana. Ny any amin’ny toerana sasany moa dia ny mpampianatra mbola tsy mampianatra dia tsy afa-manohitra koa ny mpianatra. Voatery tsy maintsy ho voakitika indray izany ny tetiandrom-pampianarana ny amin’ny fotoana hanaovana fanadinana sy ny mety ho fihemoran’ny fiafaran’ny taom-pianarana 2022-2023. Raha ny sata sy fitsipi-pitondrana anatin’ny SECES dia misy ny filankevim-pirenena atao in-droa isan-taona. Nangataka izany ny tao Mahajanga sy Antananarivo ka dia ho tontosaina any Toamasina ny alakamisy sy zoma izao izany. Ho jerena manokana ny fiarovana ny zon’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Handinihana ny raharaham-pirenena koa izany, toy ny mahazatra isaky ny misy filankevim-pirenena. Eo no ahafahana manapaka ny hevitra ho raisina manodidina ny fiainan’ny fampianarana ambaratonga ambony, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT