Fampianarana

Fikasihan-tanana Sefo Cisco tao Marolambo


  • Alakamisy 29 Jona 2023

Efa misokatra ny fanadihadiana, hoy ny minisitry ny fanabeazana

Voarain’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Sahondrarilala Marie Michelle, araka ny resaka navoakany omaly hariva tamin’ny facebook, ny fanambarana omaly nataon’ireo mpampianatra eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianaran’i Marolambo manoloana ilay fihetsika mifono herisetra sy habibiana nataon’ny lehiben’ny distrika teo aloha any an-toerana tamin’ny sefo cisco. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nomen’ny lehiben’ny distrikan’i Marolambo teo aloha totohondry sy coup de tête ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana ny alin’ny 25 Jona lasa teo rehefa nampiantrano ny lehiben’ny distrika vaovao vao tonga handray io asa io. Boba ra vokatr’izany mihitsy ny oron’io lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana io. Nambaran’ireo mpampianatra moa fa fanitsakitsahana ny hasin’ny fanabeazana ny tranga tahaka izao no sady fanaovana tsinontsinona ny lehiben’izy ireo.

Mampieritreritra lalina momba ny fahasalamana ara-tsaina sy ny toetr’ireo manampahefana eto amintsika ny tranga tahaka izao, izay toa miverimberina sy mitety faritra. Tsy mahazaka fahefana ve, sa mieritreritra fa eo amina toerana iray mandrakizay, efa andriamanitra kely ka tsy azo kitikitihina ary mihevi-tena fa ambonin’ny lalàna sy mafy be indrindra. Misy zavatra mila alamina e !
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT