Fikasihan-tanana mpianatra

“Tsy tokony ho vitavita fotsiny, sokafy ny fanadihadiana”


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Manoloana ny fikasihan-tanana nahazo ireo zandry, zanaka, mpianatra teny ankatso anio alakamisy,

hoy ny fanehoan-kevitry ny kandida ho filoham-pirenena, Tahina Razafinjoelina, omaly, dia aoka ampahatsiahivina fa ankizy mitaky ny fiverenana an-dakilasy ireo. Raha ny vahaolana no jerena dia ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra izay efa tsy voaray hatrany amin’ny taona 2019 no tsara himasoana, hoy izy. “Mino sy manantena aho fa handray ny andraikiny ny fitsarana ka hanokatra fanadihadiana fa tsy sanatria handalondalo fotsiny amin’izao ireny zava-nitranga ireny. Manan-danja ny fanabeazana”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Andrasana ny ho tohin’io ary tsy tokony ho vitavita fahatany, tena zava-dehibe ny fanadihadiana. Iza ohatra no sahy miteny sy manamarina fa ireny tanora nodarohana sy nosamborina ireny tokoa no hoe nitora-bato sy naniratsira mpitandro filaminana ? Ahoana no hanamarinana fa tena mpianatra marina no nitora-bato ? Fa misy ihanykoa anie ny hoe:fampiasan-kery diso tafahoatra na “utilisation excessive de la force” izay azo hanenjehana ny mpitandro filaminana satria misy fetrany ny fampiasana hery fa tsy tahaka ireny kosa angamba!?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT