Fampianarana

Fikarohana ataon’ny mpianatra Ny vola enti-miasa hatrany no olana


  • Alarobia 04 Jolay 2018

Betsaka amin’ireo tanora mpianatra eto amintsika no mahavita zavatra tsara rehefa manao fikarohana.

 
Ny olana anefa dia ilana volabe sy finiavana hatrany izany, antony mampihemotra ny sasany. Ho ana tanora mpianatra maromaro nanao fampirantiana ny voka-pikarohany teny Antsobolo omaly, ohatra, dia nahavita nanamboatra zava-maneno  tendrena robot izy ireo, izany hoe : tsy ilana olona intsony. Tao anatin’ny efa-bolana no nanatanterahany ny asa, mpianatra taona fahadimy manaraka ny lalam-piofanana  informatique multi-media ao amin’ny sekoly ambony ISPM. Hetsika efa fanaon’ity sekoly ambony iray ity isan-taona ny tahaka izao ka tsy maintsy mandray anjara avokoa ireo mpianatra rehetra manovo fahalalana ao manomboka any amin’ny taona voalohany. Mahatratra 300 ireo voka-pikarohana haranty ao an-toerana ka misy hatramin’ny fikarohana sakafo feno otrikaina tsy ilana hena intsony ho fitandroana ny fahasalamana raha eo ihany koa ny fikarohana momba ny chocolat. Manazava ny dingana natrehiny izy mirahavavy kely mpianatra  ireto.

 

Narindra, 22 taona  : Tsy mora ny manao fikarohana amin’izao. Tena ilana vola ilay izy sady ilana finiavana koa. Izaho izao nandeha teny Ambodinisotry mihitsy nitsimpona piesy tsy hita teny amin’ny toeram-pivarotana mahazatra.

Narihasina, 22 taona : Olana koa, lasa lafobe daholo ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’izao. Ho ahy manokana anefa na vehivavy aza aho dia manana nofinofy ho tonga mpikaroka tena henjana hahavita orchestre iray manontolo tendrena robot.

 

 

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT