Fikambanan’ny polisy ao Mahajanga

Nanolotra vatsy ho an’ireo mpanala CEPE


  • Alarobia 19 Jona 2024

Ankoatra ny asa fampandriana fahalemana, misehatra amin'ny asa sosialy

koa ny polisim-pirenena eto Mahajanga amin'ny alalan'ny fikambanana FIPOMIMA, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Nijery manokana ireo mpianatra mpanala ny fanadinam-panjakana CEPE izy ireo omaly ka nanolotra vatsy ho an'ireo mpiadina tao Mahajanga tampon-tanana. Nitety ireo ivon-toeram-panadinana samihafa toy ny teny amin'ny Charles Renel, EPP Mahabibo, EPP Fiofio izy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Zava-dehibe, antoky ny fanamafisana ny fifantohana ara-tsaina ny vatsy, indrindra, ny tohana ara-tsakafo anaty vanim-potoana toy itony. Isan’ny manampy amin’ny fahazoana vokatra tsara ihany koa izany, ankoatran’ny efa fiomanana samihafa nataon’ireo mpianatra toy ny famerenan-desona sy ny fizarana mamita enti-mody isan-karazany. Heverina ho zava-dehibe sady manamaivana ny fahasahiranan’ireo ray aman-drenin’ireo mpianatra, noho izany, ny karazana hetsika toy izao, no manampy ireo mpianatra, indrindra, amin’ny lafiny fifantohana ara-tsaina ihany koa, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT