Fampianarana

Fikambanan’ny mpampianatra tsy miankina Hanome fampianarana maimaimpoana


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Omaly zoma 13 jolay no nampahafantarina tetsy amin’ny hotely Le Pave Antaninarenina ny fisian’ny fampianarana maimaimpoana homena an’ireo mpianatra hanomboka ny 18 jolay ho avy izao.

Mba hialana amin’ny taona maty ary hitazomana ny datim-panadinana dia hisy ny drafitra maty paika hanatanterahana izany. Tsy misy ambadika politika ary tsy manakiana ny fitakiana ataon’ny mpampianatra mitokona amin’izao izy ireo, araka ny nambarany, fa tena ho fitsinjovana ireo ankizy tsy nianatra nandritra ny 2 volana. Ankoatr’izay dia nanao antso avo izy ireo ho an’izay malalatanana mba hanome fanampiana azy ireo ny amin’ny fanatanterahana ny “cours accéleré” izay hatao. Tsy voatery ho vola fa eo ny efitrano malalaka izay ahafahana mampianatra satria nifidy ny tsy hiditra any amin’ny sekolim-panjakana izy ireo hialana amin’izay mety korontana. Nanao antso avo amin’ny olona tsara sitrapo ihany koa izy ireo ho an’izay manana fitaovana tahaka ny tsaoka, taratasy sy ny fitaovana hafa hoenti-mampianatra. Amin’ny alatsinainy ho avy izao no handraisan’izy ireo izay mety ho fanampiana etsy amin’ny Espace Vatomanga Antohomadinika. Nanambara ihany koa izy ireo fa efa maherin’ny 3.000 ny mpampianatra ao anatin’ny fikambanana ka hisandrahaka manerana ny nosy amin’ny fanomezana ny fampianarana maimaimpoana.

Tsiry


 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT