Fampianarana

Fikambanana ADS Nampiandraketina fanaraha-maso ny fanabeazana


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Ny fikambanana ADS na “Abattoir – dynamique – solidarité’’ nalaina tamin’ny asa iveloman’ny mponina eo Ampasika, fokontany Anosimasina, distrikan’Atsimondrano,

dia mifototra amin’ny asa sosialy sy miaro ny zon’ny mpanjifa, ny voafonja, ny kilemaina, ny vehivavy, ny ankizy ary misehatra amin’ny lafin-javatra maro, hoy ny filoha mpanorina, Lova Andrianjaka. Nampandraketan’ny minisiteran’ny fampianarana ny fanaraha-maso eny amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa dia ny CEG sy lisea ny fikambanana tamin’ity taona 2022 ity, hoy izy, izay eo ambany fiahian’ny hetsika Rohy. Ny resaka fikambanana miforona anaty fampianarana toy ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra moa no isan’ny nampisahanina azy. An-tsitrapo no hanaovan’ny fikambanana izany. Mivelatra amin’ny distrikan’Atsimondrano ankehitriny ny asan’ny fikambanana ary ny faniriana moa dia ny hipariahany manerana ny nosy saingy mbola fikambanana miana-mandeha izy ity. Fampiroboroboana ny fiainan’ny mponina no tanjona ary isan’ny hitsanganan’ny ADS ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana eo amin’ny fokontany sy kaominina. Isan’ny paikady ny fijoroan’ny vatan-dehilahy anaty fikambanana manara-maso izay endrika tsy fandriampahalemana eny amin’ny fiarahamonina sy elakelantrano izay. Ezahana koa ny hetsika atao rehetra mba hisoroka ny fidorohana zava-mahadomelina sy fidonanam-poana, indrindra, ho an’ireo tanora, hoy hatrany ny filohan’ny ADS, Lova Andrianjaka.
J. Mirija Legende: Ry zareo ao amin’ny ADS

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT