Fampianarana

Fihetsehan’ny mpandraharaha eny Ankatso “Mety hisy hanararaotra handemena ny fitondrana”


  • Talata 05 Oktobra 2021

Matoa misy ny fihetsehana ataon’ny mpandraharaha eto Antananarivo, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo, ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina,

 dia ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. Efa heno ihany fa manana olana ny fitondrana eo amin’ny fandoavana karamany, indrindra, ny fanapahan’ny fanjakana ilay antsoina hoe “indemnite de technicite”, izay mba mameno ny karama sady kely no tara lava ny fandraisana azy. Ny SECES sy ny SPATUT na sendikan’ny mpandraharaha ety amin’ny oniversiten’Antananarivo dia toy ny tanan-kavia sy havanana, hoy izy. Izay didiana maharary. Raha misy mahavoa an-drizareo dia mahavoa anay koa satria ao anatin’ilay lazaina hoe toko 3 mahamasa-nahandro izay hifandraisan’ny mpampianatra mpikaroka, mpandraharaha, mpianatra. Eo anatrehan’izany rehetra izany dia miombom-peo tanteraka amin’izay fitakiana maharary ny PAT, ny mpianatra ary ny SECES izay ny SECES Antananarivo ary manao antsoavo amin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny amahana faran’izay haingana ny olana satria raha miitatra ireo dia fantatsika ny mety ho fiantraikany. Ho araraotin’ny olona ireny mety hanasoketana handotoana na mety handemena ny tanjaky ny fitondrana. Tokony handinika fatratra ny fitondram-panjakana manoloana izany rehetra izany. Ny karamany no takiana fa tsy miampy amboniny. Ny fampandehanan-draharaha sy ny zo sy hasiny voafaritry ny lalana no takian’ny SECES ka inona no antony tsy hanefan’ny fitondram-panjakana azy, hoy hatrany ny tenany ?
Legende: Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, Filohan’ny Seces sampana Antananarivo (Tahirin-tsary)
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT