Fampianarana

Fifehezana ny teny Frantsay Miofana ny mpampianatra 20 ao Andramasina


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Tsy dia mahay sy mahafehy teny Frantsay loatra amin’ny ankapobeny ireo mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana.

Ny teny Malagasy mantsy no mbola tena fototry ny fampitana ny fianarana ho azy ireny izay mifanohitra tanteraka amin’ireo sekoly tsy miankina mampiasa sy mikirakira ny teny Frantsay. Somary sahirana vokatr’izany ireo ankizy manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana raha oharina amin’ireo ankizy mianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina. Anisan’ny antony hanofanana ireo mpampianatra 20 mianadahy eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianaran’ Andramasina izany. Ny teny frantsay B1 sy B2 ireo no hanofanana azy ireo ka mpampiofana avy amin'ny "Alliance française" Antananarivo no manolotra izany. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny fikambanana "AGIRabcd Loire Océan"sy ny fari-piadidiam-pampianarana Andramasina no angady nananana sy vy nahitana izany ka ny tanjona dia hahay sy hahafehy ny teny Frantsay ireo mpampianatra 20 ireo no sady hahavita mampita izany amin’ireo mpianany ihany koa. Hisy ny fanolorana mari-pahaizana aorian'ny fiofànana. Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT