Fampianarana

Fifaninanana manamboatra “Robot” Tanora Malagasy 5 no hifaninana any Mexico


  • Zoma 15 Jona 2018

Hotanterahina any Mexico amin’ny 15 ka hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao ilay fifaninanana manamboatra robot andiany faharoa karakarain’ny “First Global Challenge”.

Firenena miisa 175 no handrasan’ity farany ho avy handray anjara, ka anisany isika eto Madagasikara. Tanora Malagasy miisa dimy hatreto no fantatra fa vonona hitondra avo sy hanandratra ny anaran’i Madagasikara mandritra ny fifaninanana. Manana traikefa avokoa izy ireo. Hampiavaka azy ireo ny fananany fahaiza-manao manokana  amin’ny famokarana angovo azo havaozina izay hitondra any amin’ny fampandrosoana maharitra. Nanaiky ny hanohana azy ireo ny Airtel izay fantatra fa handray anjara amin’ny saran-dalana sy hanampy amin’ny fanatanterahana ny tetikasany. Nambaran’Atoa Maixent Bekangba, tale jeneralin’ny Airtel fa ny hanatsara ny toekarem-pirenena no tanjona, indrindra ao anatin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao. Telo amin’ireo mpifaninana ihany moa no fantatra fa hivoaka ho mpandresy.

 

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT