Fampianarana

Fifaninanana mamorona “robot” tany Etazonia Laharana fahatelo ny Malagasy


  • Alakamisy 20 Jolay 2017

Namiratra indray ny tanora Malagasy ary nanandratra avo ny voninahi-pirenena tany ampitan-dranomasina.

Tsy nitsanga-menatra mantsy ireo 6 mianadahy nisolotena an’i Madagasikara tamin’ilay fifaninanana antsoina hoe "First Global challenge", izay nifototra betsaka tamin’ny  fanamboarana  “robot” na ireny fitaovana avo lenta mifamatotra amin’ny teknolojia ireny, natao tany  Washington DC, Etazonia  ny 16-18 jolay. Lohahevitra tamin’ny fifaninanana ny hanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio.  Laharana faha-3 tamin'ny firenena 160 nandray anjara isika, ary nibata ny medaly alimo. Mamiratra ny Malagasy ary mbola sangany aty Afrika raha ny resaka tontolon’ny teknolojia no resahina. Marihina fa fandraisana anjara voalohany ho antsika izy io. Raha ny vaovao niparitaka kosa dia mba niezaka nandondom-baravarana tamin’ireo andrim-panjakana, nitady fanampiana ireo tanora ireo nialohan’ny diany, saingy tsy nisy niraharaha raha tsy ireo mpanohana tsy miankina, indrindra fa ireo mpila ravinahitra any ampitan-dranomasina. Tsy hay indray izay hataon’ny fanjakana manoloana izao fahombiazana goavana izao, fa raha ny tokony ho izy dia ireny tanora ireny no tokony hatosika. Ny manahirana anefa dia matetika ny mpitondra indray no mirehareha amin’ny tsy nisasarany ao anatin’ny fotoana fohy fa adino ireny tanora nanandratra avo ny voninahi-pirenena ireny. Efa maro ihany ireo olona namiratra teo amin’ny seahatra iraisam-pirenena saingy tsy hita izay mba valim-babena avy amin’ny fitondram-panjakana. Sehatra maro no efa nampalaza ny Malagasy raha tsy hilaza afa-tsy ny nandrombahan’I Randriarimanana Tahina izay vao 22 taona ny loka 25.000 Dôlara tamin’ilay “Anzisha prize 2016” na ilay fifaninana mamorona tetikasa taty Afrika, ary efa nosokajian’ny gazety boky malaza Forbes ho anisan’ireo tanora mpanefoefo aty Afrika ity tovolahy vao erotrerony ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT