Fampianarana

Fifaninanana Hackathon DevFest 2021 Azon’ny IT University ny laharana voalohany sy faharoa


  • Talata 26 Oktobra 2021

Azon’ireo mpianatry ny IT University Andoharanofotsy izay oniversite miompana indrindra amin’ny tontolon’ny informatika avokoa ny laharana voalohany sy faharoa tanatin’ny fifaninanana Hackathon DevFest 2021.

 Ny tarika na Team Hellfail no nandrombaka izay fandresena izay tamin’ny alalan’ny tetikasany mitondra ny lohanteny hoe “Système d'état civil et de gestion d'identité des citoyens”, izany hoe mikasika ny rafitra tokony hitantanana mombamomba ireo olompirenena, raha fintinina tsotra. Nahazo 1.500.000 Ariary avy amin’ny Bocasay, «Incubation » ao amin’ny Nexta, Power box, “injection” 3Go mandritry ny 6 volana avy amin’ny orinasam-pifandraisana Telma. Ho an’ny Team Digitall izay nahazo ny laharana faharoa kosa ary nitondra ny tetikasa mitondra ny lohanteny hoe «Carte d'identité numérique des citoyens malgaches, visant à faciliter les processus gouvernementaux au sein des divers ministères», izany hoe resaka mikasika ny atao hoe kara-panondro nomerikan’ny olom-pirenena malagasy izay mikendry hanamora ireo dingana ara-panjakana eny anivona minisitera maro dia nahazo 1.000.000Ariary avy amin’ny GDG Antananarivo miampy “Incubation” ao amin’ny Nexta sy Power box ihany koa ary “injection” 3Go mandritry ny 3 volana avy amin’ny orinasa Telma hatrany. Mandray anjara fooana amin’ireo endrika fifaninana tahaka izao ny mpianatra volavolain’ny IT University ary matetika no mandrombaka ny fandresena; tsara ho marihana fa maro izy ireo no efa miasa amina orinasa manana ny maha izy azy any ivelany to any atsy amin’ny Nosy Maorisy, Frantsa, Etazonia, Canada…tahaka izany ihany koa ireo orinasa lehibe eto an-toerana izay samy milaza fa mahafa-po ny olona nandranto fianarana tao amin’’ny ITU.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT