Tsy ho afaka ny hiatrika ny seho sy ny fifaninana “Robotex” any Tallinn Renivohitr’I Estonie ny 5-7 novambra ho izao ny ekipa robotika malagasy.
Omaly talata 02 novambra no tokony hiainga ireo tanora siantifika mpikaroka miisa 5, saingy tsy afa-nanoatra. « Goavana ny fiafina sy ezaka vita tamin'ny fifaninanana roa izay tokony hatrehan'izy ireo. Mbola feno fanantenàna tanteraka hatramin'ny atoandro teo. Nivadika ho TSIA tamin'ny ora farany nefa ny valin'ny fangatahana natao momba ny billets d'avion », hoy ny fampahafantarana amin’ny tsy hahafahana mandeha nataon’ny Stem4Good Madagacar ny 29 oktobra teo tao amin’ny pejy Facebook-ny. « Tohina ny fo nefa mino izahay fa raha tsy mbola izao dia indray andro any hankatoa sy tena hanohana tokoa ny ezaka atao amin'ny fanatsaràna ny fampianarana STEM amin'izay ny Fanjakàna sy ireo fikambanana iraisam-pirenena misy eto. Misaotra ireo orinasa sy ministera izay nandray sy nihaino ny ekipa malagasy. Efa tena zava-dehibe izany », hoy hatrany io fampahafantarana efa nandeha tao anatin’ny andro vitsy io. Tsara ny manamarika, fa nivaly ny 30 oktobra ny fifaninanana “FIRST Global Challenge 2021”, ka nahazo ny laharana faha-10 tao anatin'ny firenena 177 i Madagasikara, izay midika fa sangany sy mafy isika eo amin’ny tontolon’ny teknolojia sy ny Robotika.
MBA MAHALALA MENATRA VE ?
Tsetsatsetsa tsy aritra, ary fanehoan-kevitra manokana avy amintsika no hilazana hoe: ireny ny Fanjakana mandefa ny Barea sy ny delegasinionina miaraka aminy mety efa ho olona 30 hatramin’ny 50, io isika mitondra olona tsy tambo isaina miatrika fivoriana any amin’ny COP26 any Ecosse, ny volana aogositra teo nitatitra olona mety efa an-jatony nanao diaspora hihoby sy hidera an’ingahy Filoha sy ny antokony miampy fampirevena vazaha amin’ny hanim-pitoloha,… Dia tsy mba menatra ve hoe: ireo tanora sy ankizy hita fa mamiratra sy reharehan’ny firenena ary tena nanao ny ezaka rehetra ara-tsaina sy ara-pahalalahana dia nodiana tsy fantatra sy nitodihana lamosina sy notazanim-potsiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.